Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70319

Minisiteran’ny Fiompiana : ahitana soritra pilplan ny 38%-n’ny henan-kisoa

$
0
0
minisitera

Miantraika amin’ny olombelona ny fanafody omena ny kisoa

Misy mampiasa fanafody fanabeazana aizana omen’ny mpiompy ny kisoany mba tsy hiterahany. Miantraika any amin’ny vatan’olombelona mihinana ny henany izany, ka mila arahi-maso akaiky, araka ny fanazavan’ny minisiteran’ny Fiompiana.

Tsy ara-dalàna ! Tsy manara-penitra avokoa ny toerana famonoan’omby sy kisoa eto an-dRenivohitra, mba tsy hilazana hoe manerana ny Nosy. Io no fanambaran’ny minisiteran’ny Fiompiana, raha tafahaona tamin’ny mpanao gazety, omaly. Anisan’izany ny eny Ankadindratombo, Anosizato, Ampasika, ohatra, satria tsy voahaja ny fahadiovana, miorina anaty tanana, …). Tsy azo ihodivirana, noho izany, ny famindrana toerana azy ireny.

Tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpiompy kisoa koa ny fampiasana fanafody fanabeazana aizana, toy ny pilplan, ohatra. Tsy miteraka ny kisoa ary hatavezina, saingy fantatra fa ahitana ny soritr’io fanafody io ny 38%-n’ny henan-kisoa amidy ho an’ny mpanjifa. Miantraika any amin’ny olombelona, noho izany io fanafody io.

Hosazina mafy izay tratra

Efa nanantona ny minisiteran’ny Fahasalamana ny ao amin’ny Fiompiana hanara-maso hentitra ny fivarotana ireny fanafody fanabeazana aizana ireny. Hosazina ireo tratra mandika lalàna.

Nilaza koa ny minisitry ny Fiompiana fa hisy abatoara hatsangana any amin’ny faritra hafa, toy ny any Taolagnaro, ohatra. Mikasika ny eny Vontovorona, fampihantonana vonjimaika no natao, satria nisy fenitra tsy tanterak’ilay orinasa tantanin’ny Sinoa. Efa voavaha ny olana ary mitohy ny asan’ity abatoara ity.

Njaka A.

Cet article Minisiteran’ny Fiompiana : ahitana soritra pilplan ny 38%-n’ny henan-kisoa est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70319

Trending Articles