Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Basikety – Coupe du Président : hifampitady ny samy Diana

$
0
0

 Samy tsy hanaiky. Hotanterahina anio ireo lalao ampahefa-dalana amin’ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny “Coupe du Président”, taranja basikety, ho an’ny Zone Nord sy Zone Sud. Araka ny efa fantatra, any Antsiranana ny fifanintsanana ho an’ny Zone Nord, misy an’i Diana, Sava ary Boeny, ary any Fianarantsoa kosa ho an’ny Zone Sud, misy an’i Matsiatra Ambony, Atsimo Andrefana sy Androy ary Amorin’i Mania.

Hifampitady ireo ekipa samy avy any Diana ho an’ny Zone Nord ary toraka izay koa ny avy any Matsiatra Ambony ho an’ny Zone Sud. Raha ho an’Antsiranana manokana, ekipa efatra solontenan’i Diana no indray hifandona eo amin’ny ampahefa-dalana, anio. Ny Cosmos, mitana ny lohany amin’ny vondrona “A”, hidona amin’ny PFOI, fahefatra amin’ny vondrona “B” ary ny Sporting, mitana ny lohany amin’ny vondrona “B”, hifampitady amin’ny AJSA, fahefatra amin’ny vondrona “A”.

Ho an’ny Zone Sud indray, hifandona ny samy Matsiatra Ambony, ny USF sy ny BCJ. Araka izany, samy tsy hisy hanaiky lembenana ireo ekipa tafakatra hiatrika ny ampahefa-dalana fa samy hanao izay ho afany hiampitana amin’ny manasa-dalana, indrindra fa ireo ekipa iray fiaviana. Izany hoe, ho mafy noho ny lalao manasa-dalana ny ampahefa-dalana satria samy te ho tafita avokoa ireo ekipa 16 avy amin’ireo Zone Nord sy Sud ireo.

Marihina fa ekipa telo isaky ny Zone no hiatrika ny famaranana ny “Coupe du Président” eto Antananarivo. Hanomboka ny faran’ny herinandro izao kosa ny fifanintsanana ho an’ny Zone Centre sy Zone Est.

Miary Narindra

Cet article Basikety – Coupe du Président : hifampitady ny samy Diana est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles