Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Conamept : mitaky dingana ny fanabeazana ho an’ny rehetra

$
0
0

Nanatanteraka atrikasa tetsy Antaninarenina, omaly, ny Conamept niaraka tamin’ny mpampahalala vaovao. Novoizina tamin’izany fa mila dingana avy amin’ny tsirairay ny fampandehanana ny fanabeazana ho an’ny rehetra (EPT).

Tokony hahazo ny anjara tandrify azy avokoa na ny madinika indrindra na ny tanora, eny fa na ireo olon-dehibe aza. Tsy tokony ho an-jorom-bala ihany koa ny manan-kilema na lehilahy na ny vehivavy.

Lesoka ho an’ny isam-batan’olona ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Unicef Mathias Lansard. Mampandringa ny fampandorosoana eto amin’ny firenena ny habadoana.

Nametraka tanjona enina ny EPT ka voalohany amin’izany ny fanabeazana maimaimpoana ny garabola sy ny ankizy tsy an-kanavaka, indrindra ireo zanaky ny fianakaviana sahirana.

Hatramin’ny faran’ity taona 2015 ity, tokony ho nahavita ny kilasy ambaratonga voalohany avokoa ny zaza malagasy rehetra. Ankoatra izay ny hahaizan’ny 50%-n’ny Malagasy mahay mamaky teny sy manoratra.

Lavitra ezaka anefa ny fanatrarana ireo tanjona ireo raha ny tatitry ny Conamept ka mila ny fiaraha-mientan’ny tsirairay.

Tatiana A

Cet article Conamept : mitaky dingana ny fanabeazana ho an’ny rehetra est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles