Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70313

Fiarovana ny zon’olombelona : mitsangana ny vondrona Miralanja

$
0
0

Nampahafantarina, omaly tetsy Antaninarenina, ny vondrona Miralanja, miaro ny zo mahaolona. Ivondronan’ireo tanora mpahay lalàna sy mpiantsehatra eo amin’ny sehatra sosialy maromaro ity Miralanja ity.

« Tanjona ny hanampy ny rehetra amin’ny fiarovana ny zony manoloana ny tsindry sy ny raharaha ara-pitsarana rehetra », hoy ny filoha lefitra Razafimamonjy Aina.

Betsaka ny fifanolanana miseho ary ahitana ny tsy ara-drariny eny amin’ny fiarahamonina. Miseho izany eo amin’ny ady tany izay mateti-pitranga ankehitriny. Ankoatra izany ny ady lova, fisaraham-panambadiana…

Manolo-kevitra sy mitari-dalàna ary manampy ireo manana olana mikasika izany fiadiana ny zony eo amin’ny lalàna izany ny Miralanja. Miara-miasa akaiky amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny minisiteran’ny Mponina izy ireo amin’izany.

Tanjona lavitra ezak’ity vondrona ity kosa ny fisian’ny mpisolovava maimaimpoana rehefa hiitatra ny sehatry ny famatsiam-bola sy ny fiaraha-miasa maro.

Tatiana A

Cet article Fiarovana ny zon’olombelona : mitsangana ny vondrona Miralanja est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70313

Trending Articles