Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Tondra-drano eto Antananarivo : mbola mitoetra ny filazana loza manambana

$
0
0

 Na tsy avy aza ny orana tao anatin’ny roa andro, mbola misy filazana loza manambana ho an’ny lemaka eto Antananarivo sy ny manodidina amin’ny faritra lalovan’ny renirano telo : Ikopa, Mamba           ary Sisaony, araka ny filazana nalefan’ny Apipa, omaly hariva tamin’ny 3 ora.

Nanentana ny vondrom-bahoaka amin’ny kaominina efa voakasika hatramin’izay ny Apipa mba hanara-maso ny fiakaran’ny rano ary hampandre ny mpamonjy voina raha ilaina ny famindrana olona tampoka.

Nidina ny haavon’Ikopa eo Anosizato, toy izay koa ny maridrefy eo Bevomanga. Tsy nihetsika kosa ny haavon’i Mamba sy Sisaony, omaly, tao anatin’ny ora fito.

Vonjy

Cet article Tondra-drano eto Antananarivo : mbola mitoetra ny filazana loza manambana est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles