
Ho famaliana ny antso nataon’ny governemanta malagasy ho an’ny mpanohana ara-bola vahiny momba ny zava-misy mahazo ny firenena amin’izao fotoana izao, nanolotra fanafody hanadiovan-drano sy hitsaboana ny aretim-pivalanana ny fanjakana amerikanina amin’ny alalan’ny PSI Madagasikara, omaly teny Andohatapenaka. Nahitana SRO ilaina amin’ny famerenana ny rano very (réhydratation), zinc, fanafody fanadiovan-drano sur’eau, kit Viasur hitsaboana ny aretin-kibon’ny zaza ny fanampiana azo. Mitentina 80 000 dolara ny fanafody nomen’ny PSI Madagascar. Efa manana traikefa amin’ny fanohanana ny vahoaka ny PSI amin’ny fanatsarana ny fahasalamany.
Hozaraina amin’ireo traboina vokatry ny tondradrano izany ary aparitaka amin’ny faritra roa : Analamanga sy Alaotra Mangoro. « Tanjon’ny fanampiana ny fisohorana ny fahafatesan’ny kilonga vokatry ny fampiasana rano maloto mandritra ny fisian’ny loza voajanahary », araka ny fanazavan’ny masoivoho amerikanina miasa eto amintsika, Robert Yamate.
Voalaza fa aretina faharoa mamely ny traboina amin’ny toeram-pandraisana ny aretim-pivalanana, aorian’ny aretin’ny taovam-pisefoana, indrindra eo amin’ny zaza madinika.
Nambaran’ny BNGRC fa mahatratra 70 000 ny traboina manerana ny Nosy vokatry ny fiakaran’ny rano ary 35 000 ny olona nafindra toerana. 25 ireo namoy ny ainy ary 6 000 ha ny tanimbary tondraka ka simba tanteraka.
Vonjy
Cet article Fanampiana ny traboina : nitondra ny anjara-birikiny ny amerikanina est apparu en premier sur NewsMada.