Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70313

Judo : handalo eto Madagasikara i Teddy Riner, tompondaka eran-tany

$
0
0

 Teddy Riner. Mpikatroka judo frantsay teraka ny 7 avrily 1989 tao Abymes, Guadeloupe. Milalao sy mikatroka eo amin’ny sokajy +100 kg ny tenany. Tompondaka eran-tany impito ary mbola izy aloha, hatreto, no mpikatroka judo manana anaram-boninahitra betsaka indrindra. Tompondaka olympika ihany koa ny tany Londres, Angletera, ny taona 2012 ary nahazo medaly alimo tany Beijing, ny taona 2008. Inefatra tompondakan’i Eoropa ary tsy mbola nisy naharesy hatramin’izao.

Araka ny vaovao, handalo eto Madagasikara ity tompondaka eran-tany sady tompondaka olympika ity, ny 21 sy 22 marsa izao. Any Toamasina kosa izy no hivantana, saingy hatreto, tsy mbola fantatra mazava ny fandaharam-potoan’i Teddy Riner amin’ny fandalovany eto amintsika. Tsy mbola nanome fanazavana mikasika ny tena antony handalovany eto ihany koa ireo tompon’andraikitry ny judo ao Toamasina. Hotaterina anao an-gazety eto ihany ny vaovao rehetra mahakasika ny handalovan’i Teddy Riner.

M.N.

Cet article Judo : handalo eto Madagasikara i Teddy Riner, tompondaka eran-tany est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70313

Trending Articles