Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70319

Misaona indray ny zavakanto : nodimandry tampoka i Rida tarika Ny Railovy

$
0
0
RIDA

 Vao tamin’ny alatsinainy teo no fantatra fa nodimandry i Josiane anisan’ny andrin’ny tarika Vetson’Androy. Omaly, nanjombona indray ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Nodimandry i Rida tarika Ny Railovy.

 Lavo ny andrarezin’ny zavakanto malagasy ! « Bibilava », hiran’ny tarika Ny Railovy anisan’ny nahenoina ny feon’i Rida io. Nindaosin’ny fahafatesana, omaly, tokony ho tamin’ny 3 ora maraina, tany Antsirabe, teo amin’ny faha-50 taonany Andriamahatana Ridasoa. Raha ny fanazavan’Andriamahatana Rado, zandriny, vokatry ny harerahana be loatra no niteraka ny fahafatesana. 6 mianadahy izy ireo no iraitampo ka lahy faharoa i Rida. Manan-janaka mirahalahy sy vavy (faravavy) tokana izy. Mpitsabo (dokotera) eo anivon’ny PSI i Rida.

Tsy ela fa vao tamin’ny 6 marsa sy 8 marsa teo teny amin’ny Carlton Anosy sy CCEsca Antanimena no nahitana an’i Rida teny an-tsehatra nandritra ny fampisehoana “Takariva firaisana”. Nanamafy ny feon’i Biry (rain’i Rida) tamin’ny beso izy sady nanana ny feony mafy sy matanjaka, kanefa malefaka ihany koa.

 Olona tsotra, mpanakanto feno sy “perfectionniste”

 « Tsy eken’i Rida mihitsy ny fanaovana zavatra kitoatoa. Noho ny toetrany « perfectionniste », tia manatratra tanjona tsaratsara kokoa hatrany izy », hoy i Rado. Olona tsotra sy tia fihavanana. Tia manentana sy manetsiketsika ny sehatra rehetra misy azy i Rida. Teo anivon’ny fianakaviana, asa, zavakanto, fiarahamonina, sns. Mpanakanto feno satria afaka nandamina sy nanoro hevitra tamin-javatra hafa toy ny fandravahana ny sehatra, sns. Tsipiteny nataon’i Rida ho an’ny mpanakanto ny hisian’ny fifanajana sy fifampiresahana. “Nankaiza ny rivo-panahim-pamoronana?”, hoy izy raha nilaza ny heviny momba ny fihirana sanganasan’olon-kafa izay miroborobo fatratra ankehitriny. Hoentina ao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena ny razana mialohan’ny handevenana azy any Andramasina Avaradrano, ny asabotsy izao. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’i Rida sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny gazety Taratra.

HaRy Razafindrakoto

Cet article Misaona indray ny zavakanto : nodimandry tampoka i Rida tarika Ny Railovy est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70319

Trending Articles