Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Tenisy – «Afrique Junior 2015» : vonona hifaninana i Miary Zo

$
0
0
tenisy

 Rakotondramboa Miary Zo irery no atleta avy eto Madagasikara hiaro ny voninahi-pirenena, any amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny sokajy «junior», tanterahina any Egypta ny 5 – 12 avrily ho avy izao. Razakaboana Océane, Randrianarison Randy ary Lucas kosa, avy hatrany dia hihazo an’i Egypta. Mianatra any Frantsa mantsy izy telo mianadahy ireo.

Efa ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny tovolahy ankehitriny, izay sady miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra. Hiaro ireo anaram-boninahitra azony izy, satria i Miary Zo no tompondakan’ny seksiona teo amin’ny U16 sy U18, tamin’ny taona 2014. «Vonona aho, hiatrika ny fifaninanana fa miandry ny fotoana handehanana sisa», hoy i Miary Zo. Ao anatin’ny heriny sy ny tanjany tanteraka ny tovolahy, izay manao ny fanazarantenany adiny roa isan’andro. Ny fanamafisana ny lafiny taktika sisa no ataony miaraka amin-dRafolomanantsiatosika Ravalitera, mpanazatra azy. Raha tsiahivina, vao 15 taona monja izy ankehitriny, kanefa izao hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ny sokajy U18 izao. Ho feno ny fandaharam-potoany amin’ity, satria aorian’ny fiatrehana ity fifaninanana afrikanina ity, avy hatrany dia hihazo an’i Frantsa izy, ka hanaraka fianarana ao amin’ny ivontoeram-piofanana ao Rouen, Frantsa.

Mandra-piandry izany, nanomboka omaly tany Tonizia ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy U16. Ny fifaninanana fanafanan-tena no natao tamin’izany. Marihina fa manana solontena amin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’i Tsanta, Andritoavina ary Fitia.

 Tompondaka

Cet article Tenisy – «Afrique Junior 2015» : vonona hifaninana i Miary Zo est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles