
Tonga amin’ny tsontsori-mamba hisarahana ireo ekipa mpifaninana amin’ny Zone Nord sy Zone Sud amin’ny fifanintsanana amin’ny « Coupe du Président ». Hiditra sahady amin’ny ampahefa-dalana ny lalao amin’ireo toerana roa, Antsiranana sy Fianarantsoa.
Hiditra sahady amin’ny lalao ampahefa-dalana ny fifanintsanana isam-paritra amin’ny fiadiana ny « Coupe du Président », taranja basikety, izay mizotra amin’izao fotoana izao amina toerana roa, Zone Nord ho an’Antsiranana ary Zone Sud ho an’i Fianarantsoa.
Araka izany, hangotraka tanteraka ny fihaonana amin’ireo toerana roa ireo ary samy hiady ny ho tafita amin’ny dingana manaraka indray ireo ekipa 16 (8 Zone Nord, 8 Zone Sud) tafita hiatrika ny ampahefa-dalana, ny zoma 13 marsa izao.
Ankoatra izay, niatrika ireo lalao farany amin’ny fifanintsanana ireo ekipa mifaninana any Antsiranana sy ireo any Fianarantsoa. Anisan’ny ekipa goavana ary tsy mbola resy mihitsy indray, ho an’ny Zone Nord, ny Sporting (Diana), mitana ny lohany ao amin’ny vondrona “B”. Eo ihany koa ny Cosmos (Diana) sy ny Chicago (Diana). Izany hoe, saika ireo ekipan-dry zareo mpampiantrano no nanjakazaka tamin’ny fifanintsanana izay nahitana solontenan’i Boeny sy Sava.
Toraka izany koa ny any amin’ny Zone Sud, izay ny ekipan’ny mpampiantrano avy ao Matsiatra Ambony, USF sy Fandrasa, no nanjazakazaka. Ankoatra azy ireo, nampiseho ny fahaizany sy ny tanjany koa ny TTS avy any Amoron’i Mania, izay samy tafita amin’ny ampahefa-dalana avokoa izy telo ireo.
Ankoatra izay, manomboka amin’ny faran’ny herinandro izao kosa indray, ny fifanintsanana amin’ireo Zone Centre, hotanterahina any Antsirabe, sy Zone Est, hatao any Toamasina.
Etsy andaniny, ireo ekipa telo voalohany isaky ny Zone kosa no miatrika ny famaranana amin’ny “Coupe du Président” eto Antananarivo.
Miary Narindra
Cet article Basikety – Coupe du Président : hangotraka ireo ampahefa-dalana amin’ny “Nord” sy “Sud” est apparu en premier sur NewsMada.