
Lamaody ho an’ny tanora, tsy maintsy ho an’ny antitra. Sady haingo no fanehoana ny fiavahana ny fandokoam-bolo. Misy ny mankasitraka, ao ny mankahala…
Tsara ve sa ratsy ny mandoko volo ? Ny valin’izay angamba, an’ny tsirairay ihany. Matoa misy ary maro ny manao azy, hitany fa tsara izany. Matoa koa anefa misy manakiana, misy mahita ny tsy fetezany. Tsy izay no lohahevitra hozaraintsika anio, fa ny tokony ho fantatra mikasika azy ity.
Voalohany, aza raisina ho toy ny fanapahan-kevitra madinika, ka raisina tsy am-piheverana ny fandokoam-bolo. Fantaro aloha hoe tsy bedy ve izany any am-pianarana na any am-piasana ho an’ireo efa miasa. Na tsy hiera aza, mba fantaro mialoha koa hoe mahatezitra ny ray aman-dreny sy ny any am-piangonana ve izany ?
Faharoa, fantaro hoe, amin’ny fotoana toa inona no tianao hitondrana ny volonao miloko. Amin’ny fotoana iray fotsiny, sa maharitra ? Tadidio mantsy fa miankina amin’izay koa ny fitafiana sy ny kojakoja hoentinao.
Fahatelo, tandremo tsara ireo loko hampiasaina, ary aleo mpanao volo matianina no manao azy sy hakana torohevitra. Misy mantsy ireo manimba na manapaka volo, ka tsy tafaverina intsony aoriana. Fantaro koa fa miankina amin’ny loko ampiasainao ny « produits » hanalana azy indray avy eo. Misy taovolo mifanaraka amin’ny loko ampiasaina koa, fa tsy voatery mandrika avokoa izy ireny.
Farany, tadidio fa zavakanto toy ny saripika sy ny hosodoko mihitsy ny fandokoana volo. Raha tsy mivoaka izay kanto izay na tsy afa-po, aleo tsy miala.
(Torohevitra farany tena farany, aza manao kiraro marani-doha indrindra raha saro-kenatra fa tsy maintsy ho tafintohina foana ianao satria tsy maintsy any aminao foana ny mason’izay mifanena !)
Cet article Tanora tsy tara – Inona no tsara sy mety ? : ireo tokony ho fantatra amin’ny fandokoam-bolo est apparu en premier sur NewsMada.