Hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny Malagasy, nofanin’ny mpiasan’ny ladoany anglisy roa lahy ireo mpisehatra amin’ny lafiny tontolo iainana, hiatrehana ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena, araka ny fenitra Cites.
Fanofanana ! Nikarakara atrikasa fanofanana ny Malagasy misehatra amin’ny tontolo iainana ny fikambanana Alliance voahary gasy (AVG), omaly teto Antananarivo. Nanatanteraka izany ny mpiasan’ny fadin-tseranana avy any Angletera roa lahy, hizara ny fahaiza-manaony manoloana ny trafika ny harem-pirenena voajanahary, indrindra ireo ahina ho lany tamingana araka ny fenitry ny Cites.
Nambaran’ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany, Randriamihaja François, fa anisan’ny nivoitra tamin’ity atrikasa ity ny fampahafantarana ny Cites, ny andraikiny, ireo karazam-biby sy zavamaniry mila arovana, sns.
Miaraka amin’ny trafika zava-mahadomelina
Tanjona ny hahatsapan’ireo mpisehatra sy ny tompon’andraikitra eto amintsika ny lanjan’ny fiarovana ireny harena ireny, ary koa hisarihana ny mpizahatany ho avy eto amintsika, indrindra ireo mpandala ny tontolo iainana.
Anisan’ny nambaran’ireo mpiasan’ny ladoany anglisy fa mora tratra kokoa ireo mpanao trafika tsy mahalala na tsy mahafehy ny Cites. Matetika koa, saika mifandray foana na miaraka mihitsy ny fanaovana trafika harena voajanahary sy ny zava-mahadomelina.
Araka ny lalàna iraisam-pirenena, azo fantarina sy hadihadiana koa ny harena na tombontsoa azon’ireny mpanao trafika ireny.
Njaka Andriantefiarinesy
Cet article Ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko : nofanin’ny Anglisy ny mpisehatra malagasy est apparu en premier sur NewsMada.