
« Aoka isika tsy ho kivy. Tsy misy mafy tsy laitran’ny zoto. Hiroso amin’ny fifidiana isika aorian’ny fampihavanana fa matokia”, hoy ny depiote Andriamasimanana Auréline, nanoloana ny vahoakan’Ambatondrazaka sy ireo vehivavy, ny 8 marsa teo.
Notsiahiviny fa taratry ny fampihavanana, mizotra any amin’ ny miralenta ny vehivavy any Alaotra Mangoro ary vonona handray andraikitra sy hitondra ny anjarany amin’ ny fampandrosoana. “Te hanampy ny fitondrana sy efa manampy ny ao an-tokantrano, manampy ny lehilahy amin’ ny famelomana ny ankohonany”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa niavaka ny “Andron’ny vehivavy” tany an-toerana tamin’ny filaharambe. Teo koa ny fanampian’ny depiote ireo sembana miisa 19 sy kamboty 14, tezain-dry masera. Ny fambolen-kazo sy ny fanampiana ireo vehivavy voafonja.
Nampanantena ny hanampy ireo traboina koa ny depioten’Ambatondrazaka.
Synèse R.
Cet article Alaotra Mangoro : « Fampihavanana aloha…” est apparu en premier sur NewsMada.