Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70292

Avaratr’Ankatso : tsy maintsy apoaka ireo vatobe, manda tsy mety hiala ny mponina

$
0
0
VENTREtaratra

 Sahirana ireo tompon’andraikitra sy ny mpitandro filaminana, omaly. Manda tsy mety hiala ny tranony ireo mponina manodidina ireo vatobe atahorana hihotsaka, eny Avaratr’Ankatso. Tsy maintsy hapoaka amin’ny asabotsy izao anefa ireo vatobe ireo.

Tokony efa naka sary ny entana sy ny fotodrafitrasa isan-trano niaraka amin’ny tompon-trano ny mpitandro filaminana, omaly hariva, eny amin’ireo mponina eny Avaratr’Ankatso, saingy tsy afaka nanao izany izy ireo. Tsy manaiky ny hiala amin’ny trano mandritra ny efatra andro, fotoana nolazain’ny tomponandraikitra fa ilaina hiarovana ny toerana hanapoahana ny vato ny mponina. Mangataka izy ireo ny hiala amin’ny trano isa-maraina ary miverina ao ihany isaky ny hariva fa tsy hatao « scellé » ny trano ka tsy azo idirana mandritra ny andro maromaro, hoy ny fanazavan’ny mponina. Hentitra kosa ny fanazavan’ny mpitandro filaminana tonga marobe teny an-toerana. Tsy maintsy atomboka ny fanalana ireo mponina amin’ny trano rehetra manodidina ny 200 m ety am-piandohana. Hiitatra amin’ny velarana 500 m izany rehefa tonga ny andro hanapoahana ny vato.

Omaly alina, nisesisesy ny fivoriana nataon’ny fokonolona sy ny mpiandraikitra ny fokontany Ambolokandrina handraisana fanapahan-kevitra hentitra. Tokantrano 100 latsaka no voakasiky ny raharaha fanesorana ny vatobe eny Avaratr’Ankatso.

Naharitra fifandresen-dahatra…

Rehefa nifandresy lahatra tamin’ny vahoaka ny mpiandraikitra ny fokontany, nanaiky ny hiala ihany ireo mponina amin’ny 200 m manodidina ny vatobe. Tsy azo atao kosa anefa ny miverina mialoha ny efatra andro, hoy ny mpitandro filaminana fa mety hitera-doza ho an’ny mponina izany. Mizarazara noho izany ny hevitry ny mponina, misy ireo ampahany manaiky ny hiala manomboka anio ary tsy hiverina raha tsy afaka efatra andro. Tsy vitsy koa ny miziriziry fa hijanona amin’ny trano raha toa tsy afaka miverina isaky ny hariva izy ireo.

Mangataka koa ny mponina mba hanaovana tatitra momba ny fomba hampiasain’ny mpiasan’ny Colas hanaisotra ny vato. Mila mahalala ny fivoaran’ny asa izahay, hoy ny mponina sasany teny an-toerana.

Tsy mahafa-po ny olona koa ny toerana handraisana azy ireo eny amin’ny ½ tonneaux sy eny amin’ny Fast Food Ankatso II satria mitete ny tafo sady mangatsiaka.

Mitondra basy avokoa ireo mpitandro filaminana tonga maro teny Avaratr’Ankatso omaly. Kamiao lehibe roa sy 4×4 efatra no manemitra ny lalana ety amin’ny arabe manakaiky ny toerana misy ilay vatobe hapoaka. Miditra amin’ny herinandro faharoa ny fifandresen-dahatra eo amin’ny vahoaka sy ny tomponandraikitra. Mahatratra 57 tapitrisa Ar ny vola ampiasain’ny orinasa Colas nanesorana ny vato.

Vonjy

Cet article Avaratr’Ankatso : tsy maintsy apoaka ireo vatobe, manda tsy mety hiala ny mponina est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70292

Trending Articles