Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Tsy matahotra an’Andriamanitra !

$
0
0
indraim-bava

 Nirongatra indray tato ho ato ny fitsaram-bahoaka. “Tsy matoky ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana ny olona e”!. “Vonoina no mety amin’ireny mpangalatra ireny satria tsy vitan’ny maka ny tsy nisasarany fa mamono olona ihany koa e”!. Nanjary tsy natahotra an’Andriamanitra intsony ny Malagasy. Na ny mpangalatra na ny angalarana sy izay mahatratra ny mpangalatra, samy nanary ny fahendrena sy ny soatoavina malagasy avokoa.

Lefin’ny hasarotan’ny fiainana ny fankamamiantsika ny aina. Nanjary tsy mataho-tody ny Malagasy. Rotiky ny fakan-tahaka be fahatany ny kolontsaina sy fomba fisaina ary fomba fiaina avy any ivelany ny fihavanana malagasy. Levon’ny tsy fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka ny fifanajana teo amin’ny Malagasy. Voazarazaran’ny finoana samihafa ilay fahendrena faratampony : “Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha”, niainantsika.

Mifandray sy mifampiankina ireo sehatra maromaro eo amin’ny fiainam-pirenena, toy ny toekarena, sosialy, kolontsaina, sns. Noho izany, tsy misy azo hanilihana ny rihitra, kanefa koa tsy misy afa-miala. Mpitondra isan’ambaratongany, raiamandreny isan-tsokajiny, tanora tompon’ny vitrika, zaza itoeran’ny lalao, sns. Samy tompon’andraikitra daholo, saingy ny anjara adidy manandrify ny tsirairay no tsy mitovy.

Firenena manan-karembe i Madagasikara ka nahoana no mahantra farahidiny ny Malagasy? Satria very ilay tahotra an’Andriamanitra. Tsy ilana kajikajy ambony latabatra sy fikaonandoha iraisam-pirenena ny famerenana io soatoavina malagasy io… Saingy, “… tsy adidiko izaho samy irery fa adidiko izaho sy ianao”, hoy i Ombalahibemaso.

HaRy Razafindrakoto

Cet article Tsy matahotra an’Andriamanitra ! est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles