Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Tonga masiaka !

$
0
0
fandalina

 “Dieny mbola tsy forehitra ny trano, avoahy ny entana ary apetraho ny aro afo”. Fiteny tranainy fandre any « an-tanàna » io. Tsy haka lavitra fa aleo izay ohatra eto Vohitsara sy ny manodidina no itondrana ny tafa sy fandalina anio. Fandre any an-tanàna hoy isika teo fa tena efa manomboka mihamasiaka izany vahoaka izany ! Mbola hisy tsangan’olona na vondron’olona hanao amboletra tsy hiraharaha ihany ? Tsy ny gazety na ny radio na ny fahitalavitra na ny tranonkala no mandainga fa masoivoho sy fitaratra tsy mamadika ny sary sy ny teny ary ny soratra avoakany.

Fa mihamasiaka izany vahoaka izany. Nahagaga ny vavan’ireo mpandeha fiara iombonana, omaly, raha nandalo teny Andohatapenaka. Raha ny vavan’ireto mpandeha ireto, sady tsy zanak’i Dada no tsy zanak’i Dadafara no tsy zanak’i Deba no tsy zanak’i… aleo hifarana hatreo ireo olona re nitatatata. Tsy zanak’Antananarivo akory aza, raha itarina hatramin’izany. Fa tena nasiaka izany resaka izany. Nitampim-bava hatramin’ny mpanampy ny mpamily fa hoe manaikitra ireto mpandeha ireto. Fa nisy inona ? Fa ireto tra-boina apetraka ao amin’ny famonoan’omby ireto koa inona indray ?

Tsy izay famonoan’omby loatra koa no re fa olan’ireto be vava tao anaty fiara iombonana ireto fa ny tsy fahaiza-mandray andraikitra ataon’ny mpitondra. « Tamin’ny andron’i Deba, mbola tahaka izao sy izao ny vidin’ny kilaon’ny vary raha tra-boina, ary nisy vary mora sy ny etsetra », hoy ny renim-pianakaviana iray avy any Ananona. Dia nanampy ny iray fa ny tamin’ny andron’i Dada koa mba nisy izao sy izao ary nisy nanohy hoe nalain’ny sasany ny vary mora ka izao sy izao. Tsy niady na nifamaly ireo fa ny nitambarany dia ny hoe : « Ajanony any izay fetiben’ny vehivavinareo fa vehivavy izahay no mijaly izao, miahy ny sakafon’ny fianakavianay ». Mihamasiaka izany vahoaka izany.

Saingy toa mbola jamba sy marenina angaha ny Fitondrana ankehitriny ? Izay hisehosehoana no mahamaika ka nahatonga ireto renim-pianakaviana avy amin’ny lafivalon’ny Nosy nibabababa ny hoe : fiara 4×4 no mahamaika fa tsy izay fiainam-bahoaka sy ny tondra-drano mbamin’ny kere. « Tsy Antananarivo irery no difotra fa mba jereo Toamasina, Toliara, Fianarantsoa, ary aza apetraka anaty rano ny miala amin’ny rano fa mahamenatra », hoy izy ireo. « Hahita raharaha eto io Fitondrana io fa efa amidin’ny tra-boina hatramin’ny fanampiana kidoro sipaonjy », hoy koa ny iray. Asa sy sakafo maharitra no ilain’ny rehetra izao fa tsy fanampiana vonjitavanandro. Ka… mihamasiaka izany vahoaka izany !

Raha fehezina, mihamasiaka sy tena masiaka ny vahoaka izao. Tsy izay gazety nitatitra ny alahelom-bahoaka na ny radio ivazavazan’ny vahoaka, indrindra ireo tsy miankina no mitantara angano fa … mba henoy ihany. Dia hoe inona no ilain’ny vahoaka fa miezaka mafy ange ny Fanjakana e ! Fa niezaka tamin’ny inona marina moa ? Dieny mbola tsy forehitra ny tanàna, aleo misoroka toy izay mitsabo fa ny harem-pirenena atobaka an-tsokosoko hita maso dia efa hahafaha-manarina ny lesoka. Sa ve hoe … ? Omeo angady ny olona hisasarany ho an’ny ankohonany ary omeo fintana hilaofany ampangoro fa tsy vitan’ny fanampiana sy ny asa tàna-maro vonjitavanandro ny firenena.

 Zoelson Randrianindrina

Cet article Tonga masiaka ! est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles