Milaza ny fikambanana AUPROG (Association des universitaires pour la promotion du genre) fa andro iray tokony hampahafantarana sy hampahatsiahivana ireo tolona natao hampanjakana ny zon’ny vehivavy ny 8 marsa. «Heveriko fa tokony homarihina amin’ny fanaovana hetsika ho an’ny vehivavy ity andro iray ity. Izaho manokana, miasa foana ny 8 marsa satria mbola misy any ho any vehivavy tsy afaka mianoka ny zo hananana asa fivelomana”, hoy i Niandonirinna Johanesa, filoha nasionaly AUPROG. Nanamafy ny filoha sampana Antananarivo, Velotrasina Ludonie, fa tsy tokony ho takon’ny fankalazana fotsiny ny tolona ataon’ny mpirotsaka an-tsitrapo ho fampandrosoana ny mirazo.
↧