Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Misy ny mpampihorohoro ? : miditra an-tsokosoko eto Madagasikara ny Irakianina

$
0
0

 Teratany irakianina miisa valo no saron’ny polisy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny herinandro teo, raha nikasa ho any Frantsa. Hita tany amin’izy ireo ny pasipaoro sandoka italianina sy aotrisianina.

Araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy misahana ny ady amin’ny fampiasana hosoka eo anivon’ny polisim-pirenena, efa novan’ireto irakianina ireto ny takila voalohany amin’ireo pasipaoro ireo. Tsy vitan’izay fa mbola nahitana kara-panondro italianina hosoka miisa enina tamin’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny polisy. Voalazan’ny polisy fa fianakaviana iray ny efatra amin’ireto voarohirohy ireto.

Naverina avy hatrany any Iraka ireo teratany irakianina.

Tafiditry ny mpampihorohoro eto Madagasikara matoa tafiditra an-tsokosoko eto amintsika ny teratany irakianina izay isan’ny malaza amin’ny asa fampihorohoroana?

Marihina fa arahin’ny sampam-pitsikilovana amerikanina (FBI sy CIA) maso akaiky i Madagasikara izay voalaza fa toeram-pandalovan’ireo silamo mahery fihetsika sady mpampihorohoro.

Voasoratra ao anatin’ny pasipaoro ampiasain’ireo silamo ireo fa fizahantany no tena anton-diany eto amintsika. Voalaza fa mody mijanona telo volana eo ho eo izy ireo mialoha ny hifindrany amin’ny firenen-kafa izay tsy fantatra mazava ny tena ataony na mampihorohoro na zavatra hafa.

Jean Claude

Cet article Misy ny mpampihorohoro ? : miditra an-tsokosoko eto Madagasikara ny Irakianina est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles