Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Jery taratra… herinandro : mpitondra… traboina

$
0
0

Lasa resabe ny tsy fandraisan’ny mpitondra fanjakana andraikitra amin’ny famonjena sy fanampiana traboina. Tsy fanapahan-kevitra mazava, tsy soritr’asa azo tanterahina, tsy paikady… Tany tsy misy fanjakana?

Nisy, ohatra, ny fitsidihana andro alina ny mponina tataovan’ny vatobe ahina hianjera eny Avaratr’Ankatso. Tsy nisy fanapahan-kevitra mazava, afa-tsy ny filazana ny mponina handao ny toeram-ponenany, dia izay.

Nirongatra tampoka ny asan-jiolahy tato ho ato. Miara-dalana amin’izany ny fitsaram-bahoaka etsy sy eroa. Tsy tohinina ny olona? Mora tafintohina amin’izay mitranga noho ny afitsoky ny mpitondra tsy azo ianteherana…

Manilika andraikitra any amin’ny governemanta ny filohan’ny Antenimierampirenena tamin’ny nitsipahan’ny HCC ny lalàna mifehy ny kaominina manana sata manokana. Volavolan-dalàna avy any amin’ny governemanta iny.

Nambaran’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana fa ezahin’ny fitondram-panjakana ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly amin’ny 17 jolay. Na izany aza, tsy mahamaika ny fihaikana mpifidy.

An-dalana ny fandrafetana volavolan-dalàna mifehy ny kaominina manana sata manokana. Tokana ihany ny kaominina ho an’Antananarivo Renivohitra. Homena andraikitra bebe kokoa ny boriborintany, ho afa-kitantam-bola…

Nilaza ho henjana amin’ny fanaraha-maso ny asan’ny mpiasam-panjakana ambony eny anivon’ny faritra ny Praminisitra. Amin’ny fanarahan-dalàna sy fitsipika io, amin’ny ady amin’ny kolikoly…

Miroso ny fakan-kevitra isam-paritra amin’ny fampihavanam-pirenena tarihin’ny FFKM. Tsy sakana ny fisian’ny filoham-panjakana teo aloha misintaka. Hatao eto Antananarivo amin’ny 26-28 marsa ny fihaonambem-pirenena.

Amin’izany rehetra izany, tsy hita mazava izay tena ataon’ny mpitondra. Traboina noho ny tsy fahatongavan’ny fanampiana avy any ivelany? Tsy azo antoka ny fiandrasana sy fiankinan-dava amin’ny vahiny…

R.Nd.

Cet article Jery taratra… herinandro : mpitondra… traboina est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles