Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70849

Me Razafinjatovo Willy : « Ho voa mafy ny vahoaka « 

$
0
0

 « Ny fijerinay, amin’ny maha olom-pirenena tsotra sady nianatra lalàna: toy ny hoe tsy misy fahafahana sy tombontsoa bebe kokoa ho an’ny mpanao gazety mikirakira io asa io ny lalàn’ny fifandraisana. Na ho anay vahoaka aza: voafetra ihany ny zavatra tokony hampahafantarina anay », hoy ny Me Razafinjatovo Willy, omaly. Raha ferana toy izany ilay izy ho an’ireo mpiserasera sy ho an’ny vahoaka: fahavoazana ho anay. Ho an’ny vahoaka, na eo aza ny parlemanta natao hijery sy hanara-maso ny asan’ireo mpanatanteraka, tsy azo antoka loatra ny fomba fiasan’izy ireo manao ny fanaraha-maso.

Rehefa tsy azo antoka ireo parlemanta, atao koa ny tsy hahafantaran’ny vahoaka na fefena tsy hahafantatra ny misy eto amin’ny firenena, raha ny nambarany. Tsy misy fandrosoana izany. Atao ny hahabado ny vahoaka tsy hahalala ny zava-misy amin’ny fitantanana, fa manao ny danin’ny kibony ny mpitondra. Ohatra ny fanaraha-mason’ny inspektiora jeneralim-panjakana ny vola nalefa any amin’ny kaominina. Ny asa noheverina fa hatao, mahatratra 3 000 000 Ar nefa ny vola nalefa 3 na 4 miliara Ar.

Zon’ny vahoaka ny mahafantatra izany, ary tokony hampahafantarana azy. Tompony ny vahoaka, araka ny fanazavany. Fefena izany amin’izao fotoana izao hoe aza ampahafantarina izany vahoaka fa avelao ho dondrona eo, tsy hahafantatra na inona na inona…

R. Nd.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70849

Latest Images

Trending Articles