
Tafiditra amin’ny fampandrosoana maharitra lovain-jafy (ODD). Nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Atallah Béatrice fa efa misokatra amin’ny any ivelany isika izao. Tokony hararaotina izany, araka ny nambarany.
« Nanao ny ezaka rehetra ny filoham-pirenena amin’ny fivoahany any ivelany hiverenantsika indray eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fitokisan’ny mpamatsy vola. Tafaverina izany izao. Efa miova anefa ny fomba fiasan’izy ireo. Avy aty amintsika ny tetikasa fa tsy zareo intsony no mamaritra azy ka manainga ny ben’ny Tanàna rehetra sy ny olom-boafidy mba hamaritra ny tetikasany », hoy izy.
Ankoatra izany, nambarany fa ho avy ny iraka avy any Bruxelles sy ny Afrikanina Tatsimo, amin’ity herinandro ity, ho fanomanan ny fihaonana an-tampon’ny Comesa. « Hijery ny fomba hanampiana antsika izy ireo. Hanao tombana ny fizotry ny fanomanana ary koa ny toerana tokony hipetrahan’ireo delegasiona ho avy eto », hoy ihany ny minisitra. Nambarany fa afa-po amin’ny fikarakarana sy ny fanomanana ireo vahiny nandalo teo aloha rehetra. « Efa vonona eo amin’ny fandraisana ny minisiteranay. Anisan’izany ny eo amin’ny arofenitra sy ny fanofanana azy ireo. Tombony lehibe koa ny nialan’ny kaompaniantsika Air Madagascar eo amin’ny lisitra B ka ho zotram-pitaterana amin’ny Frankofonia izy io », hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny.
Hiteraka famoronana asa…
Nanteriny koa fa mbola malalaka ny tsena eo anivon’ny Comesa ary azontsika trandrahina eo anivon’ireo firenena 19 mpikambana. Tombony ho an’ny mpandraharaha izany ary hiteraka asa. « Manana vokatra azo haondrana isika. Eo koa ny fanatsaran’ny Comesa izany mba hanana ny kalitao sy ny fenitra iraisam-pirenena. Mametraka ny famokarana mitodika amin’ny tsena isika… », hoy izy.
Tsiahivina fa notanterahina, ny alahady teo niainga tetsy Mahamasina ny hazakazaka Frankofonia, nihodidina ny farihin’Anosy narahina dihy zumba izany. « Nanehoana firaisankina iny hetsika iny. Mbola betsaka ireo fampisehoana ara-kolontsaina sy fampirantiana ny asa tanana hataontsika, mialoha ny Frankofonia », hoy ny delege jeneralin’ny OIF, Rajaobelina Mamy.
Synèse R.