
Marobe ireo tonga nanoina ny antso ho fanohanana ny fiahiana ireo zaza madinika marefo eto an-dRenivohitra. Tsy inona akory izany fa tamin’ny alalan’ny fanotronana ny fampisehoan’i Nana Mouskouri, teny amin’ny CCI Ivato ny asabotsy hariva teo. Hetsika avy amin’ny tsirin-kevitry ny vondrona antsoina hoe « Friends of Nana in Tana ». Raha tsiahivina mantsy, harotsaka manontolo any amin’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny reny sy ny zaza (Unicef) ny vola azo tamin’ity fampisehoana ity. Nitsidika ireo toerana misy ny fandaharanasan’ny Unicef, eto Analamanga, i Nana Mouskouri, mpitondra tenin’ity sampana ity efa 20 taona izao, talohan’izao fampisehoana izao.
Mamiherison sy Landy R.
Cet article Faran’ny herinandro an-tsary est apparu en premier sur NewsMada.