
Nampiavaka ireo lanonana ara-javakanto tamin’iny faran’ny herinandro iny ny fampisehoan’i Stan sy Nanah, tetsy amin’ny CC Esca etsy Antanimena omaly. Niavaka izy ity, satria sambany izy roa ireto no nandeha irery niaka-tsehatra lehibe toy izao hatramin’ny nahafantarana azy ireo tao anatin’ny fifaninanan-kira “Pazzapa”.
Na eo aza izany, azo ambara ho raitra sy matihanina ny zavatra natolotr’i Stan sy Nanah. Efa fantatry maro ary efa tafapetraka ny maha izy azy ny tsirairay, raha ny feo no resahina. Toy izany koa ny fahaizana miseho sehatra. Maro rahateo ny toeram-pilanonana efa nahitana azy roa sy namolavola izany traikefa izany.
Tsy ambakan’ireo rehetra ireo ny fanamafisam-peo sy ny ravaka teny an-tsehatra ary, indrindra, ny fisafidianana ny hira, ankoatra ny hira noforonin’izy ireo. Azo lazaina ho nibahan-toerana mantsy ny fitiavana, izay nanambatra ny talentan’i Stan sy Nanah.
Araka ny efa nampanantenain’izy ireo, ho maromaro ny mpanakanto tsy ampoizina ho vahinin’izy ireo. Anisan’ny nampihetsi-po tamin’ireny ny tarika Ny Nanahary, raibe nandovan’i Nanah ny feomangany, izay nivetso ny “Lay tanàna”. Teo ihany koa i Samoëla, nampiara-peo tamin’i Nanah.
Ny indro kely tamin’izany rehetra izany, ny fahabangan’ny seza maromaro, izay tsy nanakana velively ireo tonga nanotrona hiara-hifaly tamin’izy roa mpanakanto.
Landy R.
Cet article Stan sy Nanah : nanolotra seho tsara, saingy … est apparu en premier sur NewsMada.