Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Rugby – DHL Africa as One : niaiky ny fahaizan’ireo ankizy, i Ferreira

$
0
0

Anisan’ny fandaharam-potoanan’ny fikambanana, DHL Africa as One, ny fampitam-pahaizana sy fampianarana ireo katitakely malagasy, ny fototry ny filalaovana rugby. Ny asabotsy lasa teo, nanatanterahina izany teny amin’ny kianja Alarobia. Ferreira, rugby coach, nampita izany, ho an’ireo ankizy 100 mianadahy. Ny 50 avy amin’ny sekolin’ny baolina kitra (Erev), 25 avy kosa avy amin’ny Pachamama sy ny XV Sympathiques.

Nanambara i Ferreira fa tena mahay baolina tokoa ny malagasy. “Hitako tamin’ny fomba fandraisan’ireto ankizy ny baolina, fa tena mahay rugby ny Malagasy. Tsy toy ireo zaza, tany amin’ireo firenena Afrikanina, nalehako, ny hitako teto. Azo antoka ny ho avin’ity taranja ity, atsy ho atsy. Aleo mikarakara sy manomana ary tena mandany fotoana aty amin’ny kilonga, ho an’ny ekipam-pirenena fa tsy variana amin’ny mpilalao efa lehibe”, hoy izy.

Taorian’ny fampianarana, nanolotra fanomezana toy ny kitapo kely, “casquette” ary “tee-shirt”, ho an’ireo ankizy rehetra, mpandray anjara, ny DHL Madagascar. Nisy koa ny fampianarana manolotra sy mandefa baolina, ho an’ireo mpiasa sy mpanjifan’ny DHL, izay nomen’i Ferreira, hatrany. Ankoatra ity fampitam-pahaizana ity, nanatanteraka fizahana maso sy fizarana solomaso, maimaim-poana ho an’ireo olona miisa 100 ihany koa ny DHL Africa as One, niaraka tamin’ny Mercy Ships, ny zoma lasa teo. Teo koa ny fizarana fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra tao amin’ny EPP Ivandry sy ny tany Isahafa, Lazaina. Ny fitsidihana ny tobim-java-boahary Lemurs Park, sy ny rovan’Ambohimanga sy Manjakamiadana, namaranan’ny DHL Africa as One, ny diany eto Madagasikara.

 Tompondaka

Cet article Rugby – DHL Africa as One : niaiky ny fahaizan’ireo ankizy, i Ferreira est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles