Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Ahina hianjera : trano ampolony maro narodan’ny mpamonjy voina

$
0
0
pompier2Mars

Manodidina ny Renivohitra avokoa ny ankamaroan’ireo trano ahina hirondana ka tsy maintsy narodana. Nahatratra ampolony maro ireo trano narodan’ny mpamonjy voina ny faran’ny herinandro teo…

 Andavamamba, Andraisoro, Antsobolo, Soanierana…Miisa ampolony maro ireo trano voatery tsy maintsy narodan’ny mpamonjy voina ny faran’ny herinandro teo. Voalazan’ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny mpamonjy voina fa misy amin’ireo trano ireo ahina efa hianjera nefa mbola misy mipetraka ihany. Tao kosa ireo tsy nisy olona nipetraka intsony, saingy mety hampidi-doza amin’ireo trano manodidina. “Na somary efa maina aza ny andro tato ho ato, tokony ho malina hatrany ny tsirairay ary tsy tokony hiverina any an-tranony mihitsy raha tsy efa azo antoka ny fidinan’ny rano. Matetika rehefa maina ny andro vao tena misy mitriatra ireny trano ireny”, hoy ny fanazavan’ny mpamonjy voina.

Nanentana hatrany izy ireo mba ho mailo ka hiantso ny mpamonjy voina avy hatrany raha misy tranga mampiahiahy, toy ny trano mety hirodana ka mety hampidi-doza tampoka.

Tsiahivina fa anjatony maro ireo olona traboina vokatry ny orana sy ny fahavakisan’ny fefiloha eny Atsimondrano sy avaradrano.

Nahatratra 179 ny isan’ireo trano nianjera vokatry ny ora-mikija nanomboka ny volana janoary teo ka hatramin’izao. Miisa 70 kosa ireo hazo nianjera sy nazera”, hoy hatrany ny mpamonjy voina.

J.C

Cet article Ahina hianjera : trano ampolony maro narodan’ny mpamonjy voina est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles