Efa hita, ny asabotsy maraina sy tolakandro teo avokoa ny razan’ireo olona telo nianjeran’ny trano teny Ankadilalana. Olona telo no hitan’ny mpamonjy voina, ny zoma teo. Enina mianaka ireo nianjeran’ny trano tamin’io fotoana io vokatry ny fihotsahana tampoka ka izao namoizana fianakaviana iray izao.
Tondra-drano ihany koa ny any Behenjy vokatry ny ora-mikija nateraky ny andro ratsy ny herinandro teo iny. Maro ireo fiara nihitsoka satria dibo-drano tanteraka ny arabe. Tsy vitsy koa ireo lalana nihotsaka.
Maty an-drano teny Ampefiloha Ambodirano ny lehilahy iray 53 taona, ny asabotsy teo. Voalaza fa nisolifatra tampoka izy ka nianjera avy hatrany tany anaty rano ka tsy avotra intsony ny ainy.