Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70304

Star : nankasitraka ny mpiasa 203

$
0
0
star

Nankasitraka ny mpiasa 203 naharitra hatramin’ny 32 taona teo anivon’ny orinasa Star ny mpiandraikitra, nandritra ny lanonana telo sosona natao teto Antananarivo, Antsiranana ary Antsirabe ny volana febroary teo. Miantsehatra amin’ny masoivoho 17sy orinasa enina manerana ny Nosy ireo notolorana mari-boninahitra niaraka amin’ny mpiasa 1 800.

Miara-miasa amin’ny tantsaha 10 000 ny orinasa amin’ny famokarana malt 4500 t, katsaka 5 000 t ary siramamy 1 500 t ilaina amin’ny vokatra tsy latsaky ny 75 eto amintsika.

Efa nahazo ny certification iraisam-pirenena FSSC 22 000 ny orinasa Star izay feno 60 taona ary mbola an’ny Malagasy ny 36%-n’ny vola miasa ao anatiny.

Chevaliers de l’ordre ho an’ny mpiasa enina, medaly volafotsy sy bronzy ho an’ny mpiasa 197.

Nisaotra ireo mpiasa noho ny asa vitany nandritra ny taona maro ary mbola mitohy amin’izao fotoana izao, ny filoha tale jeneraly lefitra, Emmanuel de Tailly tao anatin’ny lanonana.

Vonjy

Cet article Star : nankasitraka ny mpiasa 203 est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70304

Trending Articles