
Tonga nitsidika sy nanome fanampiana ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny toetr’andro ratsy tao amin’ny kaominina Ampanefy, ny zoma teo, ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakoto François Rodin. Ny zandarimaria no misahana ny trano vonjimaika hipetrahan’ireo olona traboina sy miaro ny olona sy ny fananany ihany koa. “Fotoana toy izao no anararaotan’ireo olon-dratsy mangalatra ny entan’ireo traboina”, hoy izy. Manerana ny Nosy ny fanampiana.
J.C
Cet article Ampanefy : nanampy ireo traboina ny kaomandin’ny zandarimaria est apparu en premier sur NewsMada.