Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

IKM : ho “Herinandron’ny valiha” io herinandro io

$
0
0
VALIHA

 Sambasamba ! Hotontosaina eto an-dRenivohitra, ny 3 hatramin’ny 7 marsa izao, ny « Herinandron’ny valiha ». Hetsika karakarain’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) etsy Antsahavola.

Iaraha-mahalala fa zavamaneno mampiavaka an’i Madagasikara ny valiha, izay hita sy ampiasaina saika manerana ny Nosy. Raha tiana anefa ny hanome lanja sy hitahiry hatrany ity zavamaneno ity, tokony hampahafantarina ny tanora fa azo ampiasaina amin’ny karazana mozika rehetra izy, araka ny fanazavan’ny IKM. Ny hanatanteraka izay indrindra no tanjon’ity “Herinandron’ny valiha” ity.

Toerana maromaro no kasaina handray ny hetsika. Anisan’izany ny eny amin’ny IKM Antsahavola, ny eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ny ao amin’ny Cercle germano-malagasy. Ho hita amin’ireo toerana ireo, mandritra ny herinandro, ny atrikasa, misy karazany roa: ny fampianarana mitendry valiha ary ny fanofanana momba ny fanamboarana azy.

Eo koa ny fampirantiana ireo karazana valiha avy amin’ny faritra samihafa. Marihina fa, amin’ny ankapobeny, misy karazany roa ny valiha: valiha volo sy ny valiha vata na marovany. Hanatevina ny fandaharam-potoana ny famelabelaran-kevitra sy ny fampisehoana.

Landy R.

Cet article IKM : ho “Herinandron’ny valiha” io herinandro io est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles