
Tsy mety mitraka mihitsy ny baolina kitra eto Madagasikara. Tsy lahy tsy vavy fa resy hatrany izay miatrika lalao iraisam-pirenena. Ny mpanazatra hatrany no lasibatra amin’izany.
Taorian’ny faharesen’ny Barea, nanoloana ny Zebres avy any Botsoana, ho an’ny sokajy vehivavy, ny alahady lasa teo tetsy Mahamasina, noroahina ireo mpanazatra mirahavavy, Haingo sy Beatrice. Araka ny vaovao voaray, ny tsy fahombiazana nandritra iny lalao mandroso hiadian-toerana amin’ny “Lalao afrikanina 2015” iny, ny antony izao fandraisana fanapahan-kevitra izao.
Taorian’ny fanalana azy ireo, notendrena hitantana ny Barea de Madagascar, andriambavilanitra, ny mpanazatran’i Sab-Nam, ekipa tompondakan’i Madagasikara ary ny Mifa Analamanga. Hanomana ny ekipam-pirenena izy ireo amin’ny fiatrehana ny lalao miverina, hatao any Gaborone, ny asabotsy 7 marsa ho avy izao.
Betsaka ny mpitia baolina kitra nanome tsiny ny federasiona, tamin’izao fanalana ireo mpanazatran’ny Barea de Madagascar izao. Tsy tokony ho maika amin’ny fanoloana mpanazatra ny federasiona fa navela aloha hanitsy ny tsy nety tamin’iny lalao iny izy mirahavavy. Ary tokony no nandrasana ny vokatry ny lalao miverina vao nesorina tamin’ny toerany ry zareo.
Baolina tsy misy rafitra
Iaraha-mahalala rahateo fa tsy misy rafitra ara-dalàna amin’ny fiadiana ny ho tompondaka, toy ny an’ny lehilahy, ny eo amin’ny sokajy vehivavy, raha lazaina ny eto Madagasikara manokana. Tsy misy fahadisoan’ny mpilalao na ny mpanazatra izany fa an’ny tomponandraikitra eo anivon’ny federasiona. Ny eto Analamanga ihany, hany mba misy fifaninanana fa zara raha misy ny any amin’ny faritra, eo amin’ity baolim-behivavy ity.
Tsy nisy firy ny fotoana nanomanana sy ny fampivondronana ireo mpilalao, izay tsy nahafahan’ireo teknisianina nanamboatra ireo mpilalao sy nametrahana ny taktika. Lojika iny faharesena iny, raha ny zavatra iainan’ny baolina kitra vehivavy eto Madagasikara. Efa ambony noho ny laharana misy ny Barea koa ry zareo Botsoanezy. Tsy misy fahagagana eo amin’ny fanatanjahantena fa eo ny fisian’ny rafitra matipaika sy fanomanana ara-dalàna ahazoam-bokatra, ka na ho soloina isaka izay mandeha aza ny mpanazatra, ho toy izao hatrany ny vokatra fa tsy tokony hanonofy isika mianakavy.
Tompondaka
Cet article Kitra vehivavy : noroahina ny mpanazatran’ny Barea est apparu en premier sur NewsMada.