Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70598

COM : tsy mbola afaka mandray ny asany ny ekipan’i Siteny

$
0
0

 Miandry. Hatreto, tsy mbola nitondra fanazavana na/sy nilaza ny heviny tamin’ilay fifidianana sy ny voka-pifidianana teo anivon’ny Komity olympika malagasy (Com), notanterahina ny 21 febroary teo, tato amin’ny Hôtel Moringa, Toliara, ny Komity iraisam-pirenena olympika (CIO). Eny fa na voalaza fa omaly alarobia aza no tokony ho nahafantarana ny hoavin’ny Com.

Araka ny lalàna manan-kery sy ny sata mifehy ny Com, tsy mbola afaka mandray ny andraikitra tandrify azy tsirairay avy ireo mpikambana tarihin-dRandrianasoloniaiko Siteny na lany tamin’ilay fifidianana tsy nanara-dalàna sy niniana natao farany teo aza. Izany hoe, mbola ireo komity mpanatanteraka teo amin’ny fitantanana teo aloha no manatanteraka ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny Com mandra-piandry ny valintenin’ny CIO.

Raha ny fanambaran-dRandrianasoloniaiko Siteny, izay vao lany hitantanana ny Com tamin’ny isam-bato 13 noho 0, amin’ny herinandro indray vao ho fantatra ny mety hoavin’ity departemantan’ny fanatanjahantena olympika eto amintsika ity. Hatreto, tsy mbola niova aloha izany ny anaran’ireo mpitantana ny Com eo anivon’ny CIO fa mbola ireo mpitantana teo aloha ihany.

Etsy ankilany, tsy mbola nahazoam-baovao ihany koa, hatreto, ny ekipa tarihin-dRamaroson Jean Michel amin’izay fepetra rehetra horaisin’izy ireo amin’ny tsy fankatoavana iny fivoriambe tsy ara-potoana sady fifidianana tany Toliara iny. Andrasana ny mety ho tohin’ny raharaha.

 Miary Narindra

Cet article COM : tsy mbola afaka mandray ny asany ny ekipan’i Siteny est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70598