
Ekipa 12. Ireo no indray hikatroka amin’ny dingana “Play-off” amin’ny fiadiana ny “Coupe du Président”, taranja basikety, andiany faharoa. Fifaninanana hotanterahina, ny 27 febroary – 6 marsa izao, any Mahajanga, ao amin’ny kianja mitafo vaovao.
Araka ny voalahatra sy araka ny lalàn’ny fifaninanana, valo amin’ireo ekipa 12 hiatrika ny “Play-off”, ireo ekipa roa voalohany tafavoaka nandritra ny fifanintsanana tamin’ireo Zones efatra (Nord, Centre, Sud, Ouest) raha efatra kosa ireo ekipa voasokajy avy hatrany teo amin’ny sokajy N1A, ireo mitana ny laharana fahadimy hatramin’ny fahavalo tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taona 2015.
Amin’ny alalan’ity “Play-off” ity indray kosa no hamoahana ireo ekipa valo hiatrika indray ny “Top 8” eto Antananarivo, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny 19 – 25 marsa izao. Hotanterahina ny 26 marsa indray kosa, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena hatrany, ny famaranana lehibe ny fiadiana ny “Coupe du Président” andiany faharoa.
Tafita ny 2BC…
Ankoatra izay, raha ny fizotry ny lalao famaranana teo amin’ny fifanintsanana ho an’ny Zone Ouest, ny faran’ny herinandro teo, tany Tsiroanomandidy, voahosotra ho tompondaka ny 2BC avy any Vakinankaratra rehefa nandavo ny BAS (Bongolava), mpampiantrano, tamin’ny isa mavesatra, 83 noho 46. Teo amin’ny fiadian-toerana, ny ASB (Itasy), nanilika ny Fanatic (Vakinankaratra) tamin’ny isa 99 noho 89. Ny 2BC sy ny BAS izany no ekipa tafiakatra hiatrika ny “Play-off” any Mahajanga ho an’ity Zone Ouest ity.
Ho an’ny Zone Sud indray, ekipan’ny Matsiatra Ambony roa, mpampiantrano, USF sy ny ASJF no tafita hiatrika ny “Play-off”.
M.N.
Ireo ekipa 12 :
Nord : SBBC (Boeny) / Cosmos (Diana)
Centre: Challenger (Analamanga) / Ascut II (Atsinanana)
Sud : USF (Matsiatra Ambony) / ASJF (Matsiatra Ambony)
Ouest: 2BC (Vakinankaratra) / BAS (Bongolava)
N1A : Cospn (Analamanga) / Fan (Analamanga) / Asa (Analamanga) / TTS (Amoron’i Mania)