
Nahitana « meilleures performances » roa ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara taranja lomano, sokajy tanora. Ny iray, tamin’ny alalan’i Mamihaja ary ny iray tamin’ny alalan’Idealy.
Niady ny fihaonana. Tontosa tetsy amin’ny dobo filomanosana Olympika, etsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano, rehefa nizotra nandritra ny hateloana (19 – 21 febroary).
Nahavita « meilleures performances » roa ireo mpilomano nandray anjara tamin’izany. Ny voalohany, tamin’ny alalan’Andriafenomanana Mamihaja Nathan, avy tamin’ny klioba Managing, teo amin’ny 200 m nage libre, sokajy « poussin ». Vitany tao anatin’ny 2’43’’64 ny fifaninanana tamin’izany raha 2’44’’14 kosa no namitan’Andrianirina Lalanomena izany tany aloha. Izay izany vao montsana io zava-bitan’i Lalanomena io.
Ny faharoa kos,a teo amin’ny taranjam-pifaninanana 50 m dos, sokajy « benjamine ». Vitan’i Tendrinavalona Idealy avy amin’ny klioba Sitène 110 tao anatin’ny 33’’64 ny fifaninanana raha 34’’34 ny namitan-dRabetsara Aina Fils Estellah izany tany aloha.
Raha ny fanazavan’ny tale teknika nasionaly (DTN) eo anivon’ny federasiona malagasy (FMN), Razafindrainibe Harivola na Vola, niakatra ny haavo teknikan’ireo mpilomano eo amin’ny sokajy zandriny tamin’ity. Nambarany fa nisy fivoarana goavana teo amin’ireo ankizy. Anisan’ny nampiakatra ny haavo teknikan’izy ireo koa ny “style de nage” sy ny teknika hananan’ny tsirairay avy.
Ankoatra izay, nahatratra 266 avy amina klioba 16 ireo mpandray anjara tamin’iny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy tanora (avenirs hatramin’ny cadets) iny. Saika nanana solontena tamin’izany avokoa ireo ligim-paritra dimy (Analamanga, Vakinankaratra, Atsinanana, Vatovavy Fitovinany).
Efa eo am-panomanana ny fiadiana ny tompondaka nasionaly eo amin’ny dobo 25 m kosa ny federasiona sy ireo atleta. Hetsika hotanterahina etsy amin’ny Esca, ny 1 sy 2 avrily izao.
Miary Narindra