
Niatrika fiofanana, nandritra ny roa andro, ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny dojo “sous-gradin”, ireo mpitsara sy mpanazatra ary mpikatroka eo amin’ny kempo sy MMA (Mixed Martial Art). Fiofanana nokarakarain’ny fikambanana Perfect Fighting Commission na PFC notarihin’ny filohany, Rakotonindriana Parfait.
Nizara telo niavaka tsara ny fampianarana tamin’izany. Ny tapany voalohany, natokana fotsiny ho an’ireo mpitsara sy mpanazatra. Tamin’izany no nahafahan’i Parfait nampita ny fomba fitsara sy ny fomba fampianarana sy fitondrana ireo klioba sy mpikatroka. Manaraka izany, teo koa ny fiofanana natokana fotsiny ho an’ireo mpikatroka eo amin’ny taranja kempo fighting. Ary farany, ho an’ireo mpiangaly ny MMA.
Raha ny fizotry ny hetsika, nohamafisina tamin’izany ny fomba fitsarana sy ny fomba fitaizana ankizy amina klioba. Teo ihany koa ny fanamafisana ny teknika fototra ho an’ny kempo fighting sy ny tantarany ary ny fomba fanaovana “inspiration” na ny “Qi gong” sy ny fomba fampakana aina ny hozatra sy ny vatana, sns.
Voalaza ihany koa marobe ireo mpandray anjara tamin’iny andiany voalohany iny ho fanomanana ny fiadiana ny tompondaka sy ny amboaran’i Madagasikara. Eo ihany koa ireo hetsika iraisam-pirenena.
M.N.