Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70642

Misy fanantenana… : an-dalana ho ofisialy ny taom-baovao malagasy

$
0
0
TAOMBAOVAO25FEV

 An-dalana, amin’izao fotoana izao, ny fampidirana ny taom-baovao malagasy ho anisan’ireo fety ofisialy marihina manerana an’i Madagasikara ; andro tsy hiasana nefa handraisan-karama, araka ny nambaran’ny Trano koltoraly malagasy sy ny fikambanan’ny taranak’Ambohidrabiby. Raha ny fanazavan’izy ireo, efa nalefa any amin’ny fitondram-panjakana io fangatahana io ary miandry ny ho valin’izany izy ireo.

Mahavelom-bolo ny zava-misy, indrindra, hatramin’ny taon-dasa, satria na ireo vahiny aza, manaiky sy manaja ny taom-baovao malagasy, araka ny nambaran’ireo mpikarakara. Nanatrika ny lanonana, ohatra, ny avy amin’ny masoivohon’i Inda. Entanin’ny Trano koltoraly sy ireo fikambanana samihafa mandala ny maha malagasy ny vahoaka malagasy rehetra mba hanamarika ny taom-baovaony.

Anisan’ny mbola sakana tsy hanatrarana io tanjona io ny tsy fitovian-kevitra na ny tsy fitovian’ny fanandroana eo amin’ny samy mpandala sy mampiroborobo ny fanamarihana ny taom-baovao malagasy. Heverina fa tsaratsara kokoa aloha ny mamaha io olana io mba tsy hampisalasala ny fitondram-panjakana sy ny vahoaka.

Landy R.

Cet article Misy fanantenana… : an-dalana ho ofisialy ny taom-baovao malagasy est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70642