
Hanomanana ny sain’ny mpianatra hisafidy tsara ny lalam-piofanana harahina aorian’ny bakalorea, nanomana fihaonana amin’ireo mpianatra amin’ny kilasy famaranana eo anivon’ny lycée Ambohidratrimo sy Talatamaty nahatratra 437 ny tomponandraikitra ao amin’ny sehatra tsy miankina. Hevitra avy amin’ny mpitantana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny fifanakalozana hizarana ny traikefan’ny mpiasa amin’ny sehatra fampianarana, fitantanana raharaham-panjakana, varotra, mpandraharaha, mpandrafitra, mpitantana sekoly…
Nampahafantarina ny mpianatra ny lalam-piofanana tokony harahina isaky ny sokajin’asa natolotra, fa ny hafatra mafonja nampitaina, tokony hanohy fianarana ambony fa tsy maika hiasa fotsiny.
Ilaina ny hetsika tahaka izao mba hanoroana sahady ny tanora momba ny safidy tsara hitondrany ny hoaviny. Mbola tsy manana rafitra matotra mitari-dalana ny mpianatra rahateo isika eto an-toerana.
Vonjy
Cet article Lycée Ambohidratrimo sy Talatamaty : mpianatra 437 nampahafantarina ny tontolon’ny asa est apparu en premier sur NewsMada.