Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70652

Vaovao tambatra

$
0
0

  Mikatso tanteraka ny fiainam-bahoaka any Antsalova. Tapaka ny lalana mampitohy azy amin’i Maintirano. Vokatr’izany, zara raha ahitana ireo entana ilain’ny mponina andavanandro (siramamy, menaka, lafarinina …) na fanafody paracétamol aza, tsy hita any an-toerana amin’izao fotoana izao. Mitoka-monina tanteraka ny distrikan’Antsalova, faritra Melaky, noho ny tsy fisian’ny fitaterana sy ny fahatapahan’ny herinaratra. Ankoatra izay, noho ny faharatsian’ny toetr’andro, simba ny voly, marary ny biby fiompy noho ny fihanaky ny aretina. Koa manaitra ny mpitondra fanjakana ny mponina any an-toerana amin’izao fahavoazana mahazo azy ireo izao. Any amin’ny kaominina sasany manodidina, tratran’ny haromotana ny alika mamono sy mamindra aretina. Na fanafody hoentina miady amin’izany, tsy misy.

Nanome 14 tapitrisa dolara ho an’ny sehatry ny indostria eto an-toerana ny Banky iraisam-pirenena (BM). Niara-nidinika tamin’ny minisitry ny Indostria, Rafidimanana Narson, ny solontenan’ny BM, Rtoa Coralie Givers, hanamafisana ny fiaraha-miasa eto amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. 11 tapitrisa dolara ny vola avy amin’ny BM ho an’izany fiaraha-miasa izany hanatsarana ny toeran’i Madagasikara eo amin’ny “Doing business”. 3 tapitrisa dolara kosa ho amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ankapobeny. Heverina izao fanampiana izao fa hampiakatra ny toeran’ny indostria malagasy hisian’ny fampandrosoana. Nanome toky ny ao amin’ny BM fa hanohy ny fiaraha-midinika miaraka amin’ny sehatra tsy miankina.

 Hiakatra ho 400 Ar ny vidin’ny mofo manomboka ny voalohan’ny volana marsa. Nankatoavin’ny filankevitry ny governemanta izany taorian’ny fivoriana niarahan’ny minisiteran’ny Varotra sy fanjifana sy ny fikambanan’ny mpanao mofo (Association des boulangers professionels). Na mbola amin’izao 300 Ar aza ny mofo, efa ela no nihena ny halehibeny ; ny an’ny sasany aza miharatsy hatramin’ny kalitaony. Tsy fantatra izay nambaran’ny minisitera miaro ny zon’ny mpanjifa momba izany.

Cet article Vaovao tambatra est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70652

Trending Articles