Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70681

Komity olympika malagasy (Com) : miandry ny fanapahan-kevitry ny CIO i Dago

$
0
0
Sary (1)

 Mahamenatra. Tsy maintsy miandry ny avy any ivelany hatrany isika eto Madagasikara vao milamina, tsy eo amin’ny tontolon’ny politika ihany fa hatramin’ny tontolon’ny fanatanjahantena ihany koa.

Raha niniana notanterahina ny fifidianana teo anivon’ny Komity olympika malagasy (Com), ny asabotsy 21 febroary teo, tany Toliara, ka nahalany ny ekipa tarihin-dRandrianasoloniaiko Siteny Thierry, tamin’ny isam-bato 13 noho 0 ny, tsy mbola tafapetraka ary tsy marin-toerana amin’ny fitantanana indray ny Com izy ireo, hatreto. Araka izany, noho ny fisintahan’ny ekipa notarihin-dRamaroson Jean Michel na Mika, tsy nanatrika iny fifidianana iny ka nahatonga izany nandeha ila, ny Komity iraisam-pirenena olympika (CIO) no tompon’ny teny farany amin’ny fankatoavana iny fifidianana iny na tsia. Voalaza mantsy fa anio izy ireo no mandefa ny taratasy fanambarana amin’ny famerenana na tsia ny fifidianana eo anivon’ny Com ary koa fankatoavana na tsia ny voka-pifidianana izay nahalany an-dRandrianasoloniaiko Siteny ho filoha mpitantana indray ny Com mandritra ny efa-taona, fe-potoam-piasana olympika. Araka izany, eny am-pelan-tanan’ny CIO indray ny baolina amin’ny hoavin’ny Com rehefa tsy nisy ny marimaritra niraisana teo amin’ny ekipa roa tonta notarihin’ny filohany avy, Randrianasoloniaiko Siteny sy Ramaroson Jean Michel.

Tsiahivina ihany koa fa tsy hipetra-potsiny amin’izao ny ekipan-dRamaroson Jean Michel, raha ny nambaran’izy ireo. Voalaza mantsy fa tsy manaiky hatramin’ny farany iny voka-pifidianana iny izy ireo ary hiady hatramin’ny farany. Etsy andaniny, miziriziry amin’ny heviny ihany koa ry Randrianasoloniaiko Siteny.

 Miary Narindra

Cet article Komity olympika malagasy (Com) : miandry ny fanapahan-kevitry ny CIO i Dago est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70681

Trending Articles