Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70636

Miala any ny sazy henjana : hosintonina ny “permis”-n’ireo mpanao gaboraraka

$
0
0
lalana

 Manomboka izao, hosintonina amin’ny mpamily manao fahadisoana matetika ny taratasy fahazoan-dalana hamily “permis de conduire”.

 Tapaka io omaly, tetsy Anosy nandritra ny fihaonan’ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana toy ny polisy, zandary, kaominina, ATT, fiarahamonim-pirenena, vondron’ny kaoperativam-pitaterana… .

Tsy nifampitsitsy teny ireo mpivory nilaza ny sembantsembana rehetra mampikorontana ny fifamoivoizana eto Antananarivo sy ny manodidina. Anisan’ny tena tsymanara-dalàna ireo mpamily taxi-be.

Nambaran’ny prefektioran’ny polisy eto Antananarivo, Randriamanjarisoa Robert fa vahaolana ny fisintonana ny taratasy fahazoan-dalana hamily fiara ho an’ny mpamily mpamerin-keloka.

Voalaza ao amin’ny lalàn’ny fifamoivoizana andininy faha R281 sy R321 momba ny fahafahana misintona ny « permis de conduire » ary efa voafaritra anaty didim-pitondrana N005—2015 MID/prefpol » io.

Hentitra ny tale jeneralin’ny fitaterana an-tanety, ny jeneraly Razafindrasata fa mora ny manafoana io fitohanan’ny fiarakodia io raha samy mandray ny andraikiny avokoa ny isan-tokony”. Tafiditra ao anatin’izany ny polisy sy ny zandary, ny kaominina, ny mpitatitra, ny mpandeha an-tongotra…

“Mila hampiharina ny sazy henjana ho an’ny mpitatitra sy ny mpampiasa lalana rehetra fa tsy vitan’ny fifanentanana intsony ny gaboraraka eto an-tanàna”, hoy hatrany ity tale ity nampiaka-peo. Atao foana ny fivoriana momba ny fandaminana ny fifamiovoizana fa mandeha ila izany satria ny sasany mialangalana fotsiny.

 Voakiana mafy ny kaominina

Anisan’ny voateny mafy ny kaominina izay manana andraikitra amin’ny fandrindrana ny fiantsonan’ny fiara kanefa tsy manao izany. Voaporofo izany amin’ny gaboraraka be etsy Anosizato itobian’ny zotra sasany. Ankoatra izany ny tsy fametahana ny takelaby mari-pamantarana eny an-arabe.

Manginy fotsiny ny fifehezana ireo mpivarotra anaty arabe izay fototry ny fitohanana. Ny lalana potika tsy misy fanamboarana tsy lazaina intsony fa tena mampikorontana tanteraka ny fifamoivoizana.

Nanamafy anefa ny prefektioran’ny polisy eto Antananarivo fa “tsy sakana amin’ny fampiharana ny lalàna ny fahasimban’ny fotodrafitrasa fa tsy maintsy hampiharina ny lalàna satria efa manjaka loatra ny baranahiny noho ny tsy fisian’ny sazy ».

Tetsy andaniny, nanetsi-keloka ny avy amin’ny filohan’ny kaoperativa niaro ny baranahiny ataon’ny mpamiliny ary nanome tsiny ny polisy amin’ny fampiharana ny sazy sy ny fakana ny taratasin’ny fiara.

 Ho an’ny rehetra ny lalàna

Niakatra ny feo avy amin’ny tale jeneralin’ny ATT, Rakotondrazaka Andriatsarafara fa natao ho an’ny rehetra ny lalàna ary anisan’ny bitika indrindra takina amin’ny mpanao fitaterana ny fahatomombanan’ny fiara ampiasaina.

Tetsy andaniny, nanamafy ny tokony hitsanganan’ny vaomiera manokana hanara-maso ny fomba fiasan’ny mpitandro filaminanana indrindra ireo mpanao kolikoly sy mpanararaotra fahefana ny minisiteran’ny Fitaterana.

Marihina fa niara-nikaondoha nitady vahaolana amin’ity fifamoivoizana ity ny mpiantsehatra rehetra amin’ny fitaterana an-tanety. Anisan’izany ny polisy, zandary, kaominina, ATT, fiarahamonim-pirenena, vondron’ny kaoperativam-pitaterana…

Mifandraika amin’ny fifamoivoizana hatrany, fantatra fa ampiharina manomboka amin’io volana marsa io ny lalàna mandrara ny tsy tokony hampiasana ny fiara misy familiana amin’ny havanana.

Tatiana A

Cet article Miala any ny sazy henjana : hosintonina ny “permis”-n’ireo mpanao gaboraraka est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70636

Trending Articles