
Niakatra fitsarana teto Toamasina, misahana ny heloka bevava, ny alatsinainy 23 febroary teo ny mikasika ireo sinoa efa-dahy, mpiasa ao amin’ilay sambo Min tai leng. Neken’ny fitsarana ny fangatahan’izy ireo fahafahana vonjimaika, naiditra am-ponja vonjimaika tao Ambalatavoahangy. Tsiahivina fa voarohirohy tamin’ny fidirana tsy ara-dalàna taty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara izy ireo. Misy koa ny ahiahy fa nikasa haka andramena ity sambo Min tai Leng ity. Nilaza fa sambo mpanjono mantsy izy ity, nefa voalaza fa tsy nahitana fitaovam-panjonoana mifandraika amin’izany tao anatiny.
Mifanindry an-dalana amin’io, nisy sambo sinoa Min Feng hafa koa, azon’ny olon-tsotra sary teo am-panondranana andramena mihitsy tany amin’ny manodidina an’i Sainte Marie, ny volana janoary teo ihany koa. Nifanandrify tamin’ilay sambo Min tai leng ity sambo sinoa hafa ity.
Tafatsoaka nefa nampiasana helikoptera sy vedety
Nampahafantatra ny besinimaro ny fanjakana, fa nampiasaina ny fitaovana azo natao rehetra, toy ny helikoptera, sambo haingam-pandeha roa ary hita ny toerana nahitana azy. Saingy tampoka teo, voalaza fa tafatsoaka ilay sambo, ary gaga ny rehetra, na ny olona tsy mahafantatra izany hafainganam-pandeha izany aza, fa nahoana no sambo vaventy no tsy tratran’ny sambo haingam-pandeha sy helikoptera ? Tsy nanome fanazavana koa ny fanjakana hatramin’izao, ka vao mainka miteraka ahiahy sy adihevitra maro. Sao misy tsikomba na koa misy ny fitaka nataon’ireo mpanao trafika.
Ankoatra ity raharaha sambo sinoa ity, neken’ny fitsarana aty Toamasina, koa ny fangatahana fahafahana vonjimaika napetrak’ireo dimy lahy, voarohirohy tamin’ny famoahana an-tsokosoko sy ny fanapariahana vary lo avy tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny faramparan’ny taona 2014 teo.
Fitsarana tsy misy kolikoly
Tamin’ny herinandro lasa teo, hentitra ny Praiminisitra tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ny hampiharana ny lalàna, ny ady amin’ny hosoka sy ny kolikoly. Anisan’ny niantefan’ny hafany ny ao amin’ny fitsarana sy ny zandary (anisan’ny voasokajy ho lohany amin’ny kolikoly, raha ny tatitry ny Amisty international). Raha raisina ety ivelany, antenaina fa tena nahaleo tena ny fitsarana, matoa nandray fanapahan-kevitra toy izao. Na izany aza, mety vao mainka hampiteraka adihevitra raha toa ka raharaha ady heloka bevava no hanomezana fahafahana vonjimaika, indrindra raharaha andramena sy famoahana an-tsokosoko entana no anisan’ny ahiahiana ny voarohirohy.
Izany hoe, anjaran’ny vahoaka ny mijery raha toa ka tena azo tsapain-tanana ny vokatr’izany fametrahana fitsarana mahaleo tena, fanjakana tan-dalàna izany, ary indrindra, fitenin’ny praiminisitra rahateo fa manara-maso akaiky ny fomba fitantanana ny firenena ny mpamatsy vola vahiny.
Sajo sy Njaka A.
Cet article Sambo nahina fa nitondra andramena : nafahana vonjimaika ireo sinoa voarohirohy est apparu en premier sur NewsMada.