
Noraisim-potsiny! Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny poste de police Ampefiloha, ny asabotsy teo ireo jiolahy telo niady môtô halatra…
Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy, nisy jiolahy miisa telo nifampisintona môtô sady nifamaly resaka vola teo amin’ny rond point Ampefiloha akaikin’ny Elite GSM. Nampiahiahy ny polisy niasa teo an-toerana izany ka niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany izy ireo ary nitondra ireo olona tao amin’ny biraon’ny polisy ao Ampefiloha nanaovana famotorana. Nandritra izany no nahafantarana fa môtô avy nangalarina io môtô niadian’izy ireo io ary nokasaina hamidy.
Niaiky ny heloka vitany izy ireo ka nilaza fa noho ny tsy fitovian-kevitra teo amin’izy ireo no nitarika ny fifanjevoana. Voalazan’ny polisy hatrany fa jiolahy mpamerin-keloka izy ireo. Efa namita sazy teny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy sy Antanimora noho ny halatra môtô sy fanendahana ary vaky trano izy ireo.
Nanamafy ny polisy fa noho ny firongatry ny asan-jiolahy sy ny mpanao sinto-mahery ary ny halatra môtô eny amin’iny faritra iny, nohamafisin’ny polisim-pirenena ao Ampefiloha ny fisafoana sy ny fiambenana ary ny fanaraha-maso ireo mpivezivezy eny an-toerana.
Natolotra ny fampanoavana, omaly, izy telo lahy ireo ary naiditra am-ponja vonjimaika.
J.C
Cet article Ampefiloha : naron’ny polisy teo am-piadiana môtô halatra ny jiolahy telo est apparu en premier sur NewsMada.