Maty tsy tra-drano ny iray, rehefa voan’ny antsy indroa tao amin’ny hatony. Mpirahalahy mpiray tampo ireto nifamono tany Ranomena Toamasina II ireto, ny asabotsy lasa teo. Voalaza fa ny vadin’izy roa lahy no nifamaly voalohany ary niitatra tamin’izy mirahalahy. Tsy nahafehy tena ireto farany ka nandray antsy ary niitatra tamin’ny fifamonoana. Tsy nisy nahatazona azy rahateo ny manodidina. Voakapa ny antsy indroa ny iray ary nitarika ny fahafatesany izany. Nidina tany an-toerana ny zandary ary voasambotra ilay namono nahafaty. Tanana ao amin’ny zandary izy io.
Ny toe-javatra tahaka itony tranga vonoan’olona an-kitsirano itony no mitarika amin’ny fitsaram-bahoaka indraindray. Maro ny tranga nahitana izany tamin’ny faritra maro. Tamin’ity indray mitoraka ity, tonga ara-potoana ny zandary, ka voafehy ny olona tsy ho tonga tamin’ny fahatezaram-bahoaka. Mandeha ny famotorana.
Yves S.
Cet article Toamasina : Mpirahalahy nifamono nifampikapa antsy est apparu en premier sur NewsMada.