Tsy maintsy ampiharina amin’ireo jiolahy mpaka an-keriny ny sazy faran’izay henjana, raha ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana. « Tsy azo andeferana ny fanaovana kidnapping raha mitombina ny fiampangana ireo izay tratra”, hoy hatrany ny minisitra. Nampiaiky ny ambasadaoro frantsay rahateo ny trangana fakana an-keriny tato ho ato.
Andian’olona miisa 400 eo ho eo no nanatanteraka fitokonana tao Ambohimahasoa, ny faran’ny herinandro teo. Ireo olona mpiray dina avy any Manandriana ireo nanao fitokonana ireo, raha ny tatitra avy amin’ny zandary. Noho ny asan-dahalo nitranga tao an-toerana no anton’izany ka very nandritra ny fanarahan-dia ny dian’omby.
Tsy mifidy hangalarina intsony ireo jiolahy nanafika mpivarotra tao Andoharanofotsy, ny faran’ny herinandro teo. Nanohitra ny tompon-trano ka nitifitra avy hatrany izy ireo. Ranom-boankazo, sardine ary peratra no lasan’ireo jiolahy tamin’izany.