
« Kabary zato, teny arivo », hoy ny fahendrena malagasy. « Asa fa tsy kabary », hoy koa ny hafa. Tsy mifanipaka ireo fa mifameno ary mandringa raha toa ka misy iray tsy tanteraka. Ilaina ny toromarika, ny anatra, ny hafatra, fa araka ilay fiteny koa hoe « sao ho lasan-ko vavany fotsiny » rehefa tsy arahina asa. Tsara koa ny teny miaraka amin’ny feo hentitra sy mahery rehefa tiana ny hahatafitany any amin’ny mpanatrika sy ny mpihaino. Tsy mahagaga raha amin’ny feo mafy no hitorian’ny mpitandrina ny toriteny any am-piangonana, mba tena hiditra hatrany anatin’ny saina sy ny fanahin’ny mpivavaka ny Filazantsara. Tsy maintsy amin’ny feo mahery mba tsy hilazana hoe mitrerona mihitsy ny miaramila rehefa manome baiko ary mamaly toraka izany koa ny eo ambany fiahiany.
Tsy mifanalavitra amin’ireo ny fanehoan-kevitry ny praiminisitra tamin’ireo tompon’andraikitra ambonin’ny firenena, ny herinandro lasa teo. Miaramila rahateo ny tenany. Nilaza fa tsy hisorona mihitsy izy amin’ireo tratra mandika lalàna, ny mpanao kolikoly, ny fanaovana hosoka, sy ny fomba mamohehatra amin’ny fomba fitantanan-draharaham-panjakana, ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena. Ary tsy misy anavahana fa tsy maintsy aseho ny fanjakana tan-dalàna.
Midika izany fa amin’ny asa no hahitana ny vokatra, raha niantefa soa aman-tsara any amin’ny mpanatanteraka sy ny eo ambany fahefany ny hafatra. Anjaran’ny tsirairay, ny sehatra isan-tsokajiny avy àry no manatanteraka, ka arakaraka ny voa no hamantarana raha niantefa tany amin’ny vatolampy na fasika na tany lonaka ny voa nafafy. Tompon’andraikitra koa anefa ny mpamafy. « Tsy hiverina amiko ny Teniko raha tsy efa vita ny iraka nampanaovina azy ». Hatreto aloha, tsy mbola niverina ny teny.
Njaka Andriantefiarinesy
Cet article Aseho amin’ny asa est apparu en premier sur NewsMada.