Nanatanteraka atrikasa niarahan’ny tompon’andraikitry ny dina zanak’i Mangoky, ny faran’ny herinandro teo tao Ambalateva, kaominina ambanivohitr’Ivahona, distrik’i Betroka. Tonga maro ireo raiamandreny ara-drazana ao an-toerana. Araka ny fanazavana voaray avy amin’ny zandary, tapaka nandritra ny fivoriana fa aorian’ny fahataperan’ny fisafoana ataon’ny zandary, horaisin’izy ireo ny fisafoana ny vohitr’Andriry. Vatan-dehilahy 1 000 eo ho eo no hanatanteraka izany. Nanao ny vely ranony handresena ny tsy fandriampahalemana izy ireo ary tsy hihemotra amin’izany, raha ny tatitra voaray avy any an-toerana. Voalaza fa azo tsapain-tanana ny fahombiazan’io “Dinan’i Mangoky” io amin’ny ampahan’ny distrikan’i Betroka.
Niverina any Tsivory ny zandary izay notarihin’ny kaomandin’ny kaompanian’i Taolagnaro miaraka amin’ireo dahalo nilavo lefona miisa 1 800. Dahalo fito no lavon’izy ireo tamin’izany. Na eo aza izany, mitohy hatrany ny Opération dahalo ataon’ny zandary ao Betroka.
J.C
Cet article Betroka : nanao atrikasa ny mpiray dina zanak’i Mangoky est apparu en premier sur NewsMada.