
Efa hatreny amin’ny polisin’ny Faritany, nanao famotorana ny raharaha nahakasika ny anabaviny, izay voarohirohy ho nanao fisolokiana no nanampatra ny fahefany ny depiote Raholdina Naivo. Mbola notevatevainy ho tsy mahay ny asany koa, ny mpitsara mpanao famotorana.
Niatrika ny fitsarana, omaly tao amin’ny efitra faharoa eny amin’ny fitsarana Anosy, rehefa notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny herinandro teo, teny Antanimora, ny anabavin’ny depiote Raholdina, noho ny raharaha fisolokiana, izay niampangana azy. Araka ny filazan’ny mpisolovavan’ny mpitory, vola mitetina 12 tapitrisa Ar, izay tokony ho vidina tany eny Sabotsy Namehana sy ny fikarakarana manodidina izany no lasan’ity ramatoa, anabavin’ny depiote Raholdina ity.
Ny volana jolay 2014 nifanarahan-dramatoa sy ireo mpividy, kanefa hatramin’ny fiandoan’ny taona 2015, tsy azo ny tany izay mbola misoratra amin’ny anaran’olon-kafa. Voalaza teo anoloan’ny fitsarana ihany fa narirariran’ilay ramatoa fotsiny ireo olona nividy, ary izao niafara amin’ny fitoriana izao. Mitovitovy amin’izany ihany ny valin-tenin-dramatoa voatory teo anoloan’ny fitsarana. Voamarika fa tsy nitovy mihitsy ny teniny teo anoloan’ny fakana am-bavany sy teo anoloan’ny fitsarana, omaly. Ny mpitory izay nitaky ny hamerenana ny volany rehefa tsy nifanaraka intsony.
Nilaza ny eo amin’ny fampanoavana, omaly, fa mitombina ny fitoriana ilay ramatoa io. “Ampiharo ny lalàna mba tsy hanaovany amin’olon-kafa intsony. Mahita ny fampanoavana fa mitombina ny fitoriana”, hoy ny avy amin’ny fampanoavana. Nitaky onitra 20 tapitrisa Ar ny mpitory. Nolavin’ny fitsarana kosa ny fahafahana vonjimaika nangatahin’ny voatory.
Nanampatra fahefana ny depiote Raholdina
Nivoitra tao anatin’ny fitsarana ihany koa, omaly, ny filazana fa nitory ny fitsarana ny depiote Raholdina Naivo. Nitory ny mpitsara nanao famotorana ny raharaha ho tsy nahay ny asany izy io. Voalaza mantsy fa tokony ho ady heloka tsotra, kanefa lasa ady heloka bevava noho ny resaka fisolokiana. Nambara teo anoloan’ny fitsarana hatrany fa efa nisy ny dingana fifampiraharahana natao tany amin’ny polisy, saingy ireo voatory indray no nandrirarira noho ny fidiran’ny depiote an-tsehatra. Araka ny fanazavana azo, notaterin’ny mpisolovava ny mpitory, efa tany amin’ny polisin’ny Faritany izy io no nikasa hanampatra fahefana, saingy tsy nahazo rariny. Tezitra ny mpitandro filaminana tamin’izany ary nandefa ny raharaha eny amin’ny fitsarana. Teny an-toerana indray ingahy depiote nampiseho ny maha izy azy, kanefa naverin’ny fitsarana tany am-ponja ity anabaviny. Tezitra ingahy rainy ka nametrahany fitoriana ilay mpitsara. Tantara hafa indray ny amin’ity farany, izay ho hita eo ny tohiny. Anio aloha no hivoaka ny didy amin’iry raharaha voalohany.
Randria
Cet article Noho ny raharaha mahakasika ny anabaviny : nanampatra fahefana teny amin’ny fitsarana ny depiote Raholdina est apparu en premier sur NewsMada.