Volana vitsivitsy, nosantarina teto Antananarivo, tao amin’ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy (IKM Antsahavola) ny fampianarana tselatra ho an’ny kabary. Fantatra, omaly, fa hotanterahina any Mahajanga ihany koa ity fomba vaovao fianarana sy fampianarana kabary malagasy ao anatin’ny fotoana fohy ity. « Kabary taom-baovao » ny lohahevitra hianarana ao anatin’ny telo andro manomboka ny alahady izao. Hozaraina ny 18 desambra izao ny mari-pankasitrahana ho an’ireo nanaraka ny fampianarana teto Antananarivo.
Anisan’ny vaovao fantatra, omaly, ny hivoahan’ny « annuaire » tontosain’ny fikambanan’ny Mpikabary Malagasy (Fimpima). Anisany ho hita ao anatin’izany ny fampahafantarana ny mpikabary maneran-tany.
Nomarihin’i Hanitra Andriamboavonjy, filohan’ny birao foiben’ny Fimpima fa hotanterahina any Mahajanga ny « Herinandron’ny kabary » amin’ny taona 2016.
HaRy Razafindrakoto
Cet article Fampianarana tselatra : hahazo ny anjarany i Mahajanga est apparu en premier sur NewsMada.