Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70752

« Zay Ombanao Hombako Tour » : hisy takariva hanangonam-bola ho an’ny kere

$
0
0

Roso ny dia ho an’ny « ‘Zay ombanao hombako tour » noketrehin’i Régis Gizavo sy ny Olombelo Ricky. Taorian’ny alinkira ny zoma lasa teo tao amin’ny Café de la Gare, Soarano, hanao hetsika milasitra amin’izany mitety faritra izy mirahalahy. Harotsaka ho an’ireo tratry ny kere any Atsimo ny ampaham-bola azo amin’izany, araka ny fanazavan’izy ireo.

« Raha marary ny vahoaka, marary koa izahay », hoy i Régis Gizavo. Tsy manan-katolotra afa-tsy ny mozika anefa izy ireo. Izany no nanomezana anarana ity fitetezam-paritra an-kira ity  hoe « Mozika Avotr’aina », mba hanavotra koa ny hira sy ny talenta. Nahazo namana an’i Monika (Njava) sy i D’Gary izy mirahalahy, hanotrona azy ireo isaky ny takarivan-kira.

Ankoatra ny seho, manomana rakikira miaraka izy rehetra ireo. Hivoaka amin’ny taona ho avy izany izay nomena anarana hoe « Music for life ». Mifamatotra amin’io ny fifandraisana tamin’ireo tanora manan-talenta eto an-toerana tokony hotohanana.

Ho an’ny anio, hanolotra alinkira ao amin’ny Vakok’Art izy efatra mianadahy, araka ny fanazavan’ny Olombelo Ricky. Hiverina eto Iarivo, ao amin’ny Dôme Ankorondrano, indray ny 19 desambra, alohan’ny hamaranan-taona any Toamasina. Nividy karatra betsaka ho an’ny SOS Village d’enfants amin’io ny DHL Madagascar.

Zoelson Randrianindrina

Cet article « Zay Ombanao Hombako Tour » : hisy takariva hanangonam-bola ho an’ny kere est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70752

Trending Articles