Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70753

« Ianao no vahaolako » : hizara ny rakikira voalohany i Sarindra

$
0
0
SARINDRA

Mety ho vaovao amin’ny maso sy ny sofina ny anarany. Mpanakanto mivoy ny fiderana an-kira, amin’ny loko hafa noho ny mahazatra kosa i Sarindra.

Hifidy ve?”. Hira efa manomboka voaray, satria mandeha amin’ny haino aman-jery matetika io. Sanganasan’i Sarindra, tovovavy mpanakanto nisafidy ny fiderana an-kira izy io. Monina any Soisa, kanefa handalo eto madagasikara ary hizara ny rakikirany voalohany i Sarindra. “Ianao no vahaolako” ny lohatenin’ny vokatra, izay hampahafantarina an-tsehatra ny 19 desambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny American Center, Galerie Smart Tanjombato.
Araka ny fitantarany, nanomboka tamina tarika iray nivoy ny rock i Sarindra, fony izy mpianatry ny Oniversite, ny taona 1998. Nirona tanteraka tamin’ny fiderana an-kira kosa ny taona 2002. Niala an’i Madagasikara ny taona 2007, fa nanohy hatrany ny mozika niaraka tamina antoko mpihira. Namorona ary tsy niala tamin’ny gadona rock, saingy milamina kokoa, narahiny tononkira fiderana i Sarindra ny taona 2011.
Nila fanampiana tamin’i Beranto ao amin’ny tarika AmbondronA izy, ka raikitra teo ny fiaraha-miasa. Nanampy betsaka tamin’ny fanatontosana ny vokatra rahateo ny ekipan’ny ‘Lay Tanàna. Marihina fa hira 10 no mandrafitra ny rakikira.

Zo ny Aina

Cet article « Ianao no vahaolako » : hizara ny rakikira voalohany i Sarindra est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70753

Trending Articles