« Ny zava-dehibe indrindra tsapa nandritra ny telo taona latsaka kely niasana: misy tokoa ny fahalemena nateraky ny lalàna teo aloha, raha tsy hiresaka afa-tsy ny famotsoran-keloka aza.«
Io no nambaran’ny filoha lefitry ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy (FFM), avy amin’ny faritany Mahajanga, Ramaroseheno Nemèse, teny Tsimbazaza, afakomaly, ny amin’ny asan’ny FFM momba ny fampihavanam-pirenena.
Raha nanao famotsoran-keloka isika, tokony ho niainga tanteraka araka izay anarany izay, araka ny fanazavany. Tao amin’ny FFM: anjarany ny tolo-kevitra, fa mbola ny fitsarana no mandray fanapahan-kevitra.
« Anisan’ny zava-dehibe ny fanovana an’izay, ahafahana manome hery ny fampihavanam-pirenena« , hoy izy. Telo taona ny fe-potoam-piasan’ny FFM amin’izao fotoana izao. Hifarana ny volana marsa 2016 izany.
Andrasana ny fijoroan’ny FFM vaovao. Andrandraina amin’izany manomboka izao ny fampihavanana mitodika amin’ny fampandrosoana, fa tsy fampihavanana miainga amin’ny marimaritra iraisana.
Zava-dehibe koa ny fiaingan’ny fampihavanam-pirenena amin’ny hoe fahalalana ny marina. Eo koa ny fiaiken-keloka, fangatahana famelana, ary ny fanonerana ny tsy nety teto amin’ny firenena.
R. Nd.
Cet article Fampihavanam-pirenena : misy fahalemana amin’ny asany ny FFM est apparu en premier sur NewsMada.